1 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]

2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ! ekeo, ry Media ! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

3 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.

4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.

5 Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]

6 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.

7 Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;

8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina; 

9 Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin*'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]

10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako *! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]

11 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma*. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina , toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina , toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]

12 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena*. [Na: avia indray]

13 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.

14 Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; 

15 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipka voahenjana ary ny havesatry ny ady.

16 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;

17 Ary ny tsipka sizay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny
